settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona no maha Kristiana ary inona no inoan'ny Kristiana?

Valiny


1 Korintiana 15:1-4 dia milaza, "ARY ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana hianareo. Fa natolotro anareo ho isan' ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin' ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;"

Raha fintinina dia izay ny ivon'ny finoan'ny Kristiana. Miavaka amin'ny finoana hafa rehetra, ny finoana Kristiana dia mifantoka amin'ny fifandraisana fa tsy fanarahana fombafombam-pivavahana. Tsy fahanarahana lisitra zavatra tokony sy tsy tokony hatao fa ny tanjon'ny finoana Kristiana dia ny hamolavola fiaraha-mamindra akaiky miaraka amin'Andriamanitra Ray. Afaka mitranga izany fifandraisana izany noho ny asan'i Jesosy Kristy sy ny fiasan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainan'ny Kristiana.

Ny Kristiana dia mino fa ny Baiboly dia teny nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra, tenin'Andriamanitra ary ny fampianarany no tompon'ny fahefana farany (2 Timoty 3:16; 2 Petera 1:20-21). Ny Kristiana dia mino Andriamanitra Iray miseho amin'ny endrika telo, ny Ray, ny Zanaka (Jesosy Kristy), ary ny Fanahy Masina.

Mino ny Kristiana fa ny olombelona dia noforonina mba hanana fifandraisana amin'Andriamanitra, kanefa ny fahotana dia mampisaraka ny olona amin'Andriamanitra (Romana 3:23, 5:12). Ny finoana Kristiana dia mino fa Jesosy Kristy dia namindra teto ambonin'ny tany, Andriamanitra feno ary olombelona feno (Filipiana 2:6-11), ary maty teo amin'ny hazo fijaliana. Ny Kristiana dia mino fa taorian'ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana, dia nalevina Kristy, nitsangana tamin'ny maty, ary mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra, mivavaka ho an'ny mpino mandrakizay (Hebreo 7:25). Ny finoana Kristiana dia manambara fa ampy ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana handoavana ny trosan'ny fahotana ho an'ny olona rehetra ary izany no mamerina ny fifandraisana rava misy teo amin'Andriamanitra sy ny olona (Hebreo 9:11-14, 10:10; Romana 5:8, 6:23).

Mba handraisana famonjena dia tsy maintsy mametraka ny finoany manontolo amin'ny asa vitan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ny olona iray. Raha mino ny olona iray fa maty nisolo voina ho azy Kristy ary nanefa ny trosan'ny fahotana, ary nitsangana tamin'ny maty dia voavonjy izany olona izany. Tsy misy zavatra azon'ny olona atao ahazoana famonjena. Tsy misy olona manana ny hatsarana ao amin'ny tenany ahafahany mampifaly an'Andriamanitra, satria samy efa nanota isika rehetra (Isaia 53:6, 64:6-7). Faharoa manaraka izany dia tsy misy zavatra atao intsony satria vitan'i Kristy avokoa ny asa rehetra! Teo amin'ny hazo fijaliana dia niteny Jesosy hoe, "vita" (Jaona 19:30).

Tsy misy azon'ny olona atao ahazoana famonjena dia torak'izany ihany koa, raha vao mametraka ny finoany amin'ny asan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ny olona iray dia tsy misy azo atao intsony ny haverezan'izany famonjena izany satria vita ary tanterak'i Kristy ny asa! Tsy misy miankina amin'ilay nandray azy ny famonjena. Jaona 10:27-29 dia milaza "Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ry Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin' ny tanako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin' ny tanan' ny Ray."

Mety misy mihevitra hoe tsara izany. Raha vao mahazo ny famonjena aho dia hataoko izay tiako hatao ary tsy ho very ny famonjena ahy! Kanefa tsy hoe fahafahana manao izay tiana hataony ny famonjena. Ny famonjena dia fahafahana amin'ny fanompoana ny natiora mpanota taloha ary afaka ny hanaraka fifandraisana amin'Andriamanitra. Raha andevon'ny ota isika taloha, dia andevon'i Kristy kosa ankehitriny (Romana 6:15-22). Raha mbola mitoetra eto an-tany amin'ity nofo mpanota ity ny mpino dia hisy mandrakariva ny ady amin'ny fahotana. Na izany aza anefa dia afaka mandresy ny ady amin'ny fahotana ny Kristiana amin'ny fianarana sy fampiharana ny Tenin'Andriamanitra (ny Baiboly) eo amin'ny fiainany ary amin'ny fanekeny hanaiky ny fitondran'ny Fanahy Masina - izany hoe manaiky ny fitarihan'ny Fanahy Masina sy ny fitarihany amin'ny fiainana andavanandro ary mankatoa ny tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina.

Raha mitaky fombafomba ny ankamaroan'ny fomba fivavahana hafa, ny fivavahana Kristiana dia finoana fa nanolotra ny ainy teo amin'ny hazo fijaliana Kristy ho solon'ny fahotanao ary nitsangana tamin'ny maty indray. Voaloa ny trosan'ny fahotanao ary afaka manana fifandraisana amin'Andriamanitra ianao. Afaka manana fandresena amin'ny natiora mpanotanao ianao ary miaina ny fifandraisanao sy ny fankatoavanao an'Andriamanitra. Izany ny tena fivavahana Kristiana mifanaraka amin'ny Baiboly.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona no maha Kristiana ary inona no inoan'ny Kristiana?
© Copyright Got Questions Ministries