settings icon
share icon
Fanontaniana

Andriamanitra ve Jesosy? Efa nilaza ny tenany ho Andriamanitra ve Jesosy?

Valiny


Tsy misy rakitra manambara an'i Jesosy nilaza mivantana hoe 'Izaho dia Andriamanitra' ao amin'ny Baiboly. Tsy midika anefa izany fa tsy nanambara ny tenany ho Andriamanitra Izy. Ohatra amin'izany ny teniny ao amin'ny Jaona 10:30: "Izaho sy ny Ray dia iray ihany". Ny fihetsik'ireo Jiosy manoloana izany fanambarana izany fotsiny dia mampiseho antsika fa nanambara ny tenany ho Andriamanitra Jesosy. Nikasa ny hitora-bato Azy noho izany izy ireo. "... olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra" (Jaona 10:33). Azon'ireo Jiosy tsara ny zavatra nambaran'i Jesosy ' ny maha Andriamanitra Azy. Mariho fa tsy manda ny fanambarana ho Andriamanitra Jesosy. Rehefa fanambran'i Jesosy fa "Izy sy ny Ray dia iray ihany" (Jaona 10:30), dia milaza fa iray natiora sy fototra Izy sy ny Ray. Jaona 8:58 no ohatra iray hafa. "Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho!" Ny fihetsika nasetrin'ireo Jiosy izany fanambrany izany dia fitoraham-bato vokatry ny fitenenan-dratsy araka ny lalan'I Mosesy (Levitikosy 24:15).

Hamafisin'I Jaona ny filazana ny maha Andriamanitra an'I Jesosy: "ny Teny dia Andriamanitra" sy hoe "ny Teny dia tonga nofo" (Jaona 1:1, 1:14). Manambara mazava ireo andalan-tsoratra Masina ireo fa Andriamanitra tonga nofo Jesosy/ Asan'ny Apostoly 20:28 dia milaza hoe "Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiny tamin'ny r'ny". Iza no nividy ny fiangonana ' fiangonan'Andriamanitra ' tamin'ny rany? Jesosy Kristy. Asan'ny Apostoly 20:28 dia manambara fa novidian'Andriamanitra tamin'ny rany ny fiangonana. Noho izany dia Andriamanitra Jesosy!

'Tompoko sy Andriamanitro' hoy Tomasy tamin'I Jesosy (Jaona 20:28). Tsy nanitsy azy Jesosy. Titosy 2:13 dia mamporisika antsika hiandry ny fiavian'ilay Andriamanitsika sy Mpamonjy antsika, dia i Jesosy Kristy (jereo koa ny 2 Petera 1:1). Ao amin'ny Hebreo 1:8 dia manambara ny Ray momban'I Jesosy, "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ', dia mandrakizay doria; ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao". Ny Ray dia manambara an'I Jesosy ho 'Andriamanitra' manamafy fa Jesosy dia Andriamanitra.

Mananatra an'I Jaona tsy hiankohoka afatsy amin'Andriamanitra irery ihany ilay anjely ao amin'ny Apokalypsy (Apokalypsy 19:10). Matetika ao amin'ny Baiboly iankohofana Jesosy (Matio 2:11, 14:33, 28:9, 17; Lioka 24:52; Jaona 9:38). Raha tsy Andriamanitra Jesosy dia tokony ho niteny ny olona toy ilay nataon'ilay anjely tao amin'ny bokin'ny Apokalypsy Izy tsy hiankohoka aminy. Betsaka ny andininy sy andalan-tsoratra Masina manamafy ny maha Andriamanitra an'I Jesosy.

Ny antony lehibe indrindra amin'ny maha Andriamanitra an'I Jesosy dia tsy ho ampy hanefana ny trosan'ny fahotantsika ny fahafatesany raha tsy Andriamanitra Izy (1 Jaona 2:2). Ny voary nohariana, raha tsy Andriamanitra Jesosy, dia tsy afaka hanefa ny trosa tsy manam-pahatamperan'ny fahotana natao tamin'Andriamanitra tsy manam-pahatamperana. Andriamanitra irery ihany no hany afaka manefa izany sazy izany. Andriamanitra irery ihany no afaka hitondra ny fahotan'izao tontolo izao (2 Korintiana 5:21), hanolotra ny ainy ary hitsangana amin'ny maty hanehony ny fandreseny ny fahotana sy fahafatesana.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Andriamanitra ve Jesosy? Efa nilaza ny tenany ho Andriamanitra ve Jesosy?
© Copyright Got Questions Ministries