settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona ny atao hoe vavaky ny mpanota?

Valiny


Ny vavaky ny mpanota dia ilay vavaka ataon'ny olona ho an'Andriamanitra rehefa mahazo izy fa mpanota ary mila famonjena. Ny fitenenana ny vavaky ny mpanota fotsiny amin'izao dia tsy hanatanteraka na inona na inona. Misy fiatraikany ny vavaky ny mpanota raha tena mampiseho ny zavatra fantatr'ilay olona, zavatra azony, sy hinoany momba ny fahotany sy ny filany famonjena.

Ny dingana voalohan'ny vavaky ny mpanota dia ny fahazoana fa samy efa nanota avokoa isika rehetra. Romana 3:10 dia manambara fa, "araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza" Mazava ny fanambran'ny Baiboly fa samy efa nanota isika rehetra. Samy mpanota mila famelan-keloka sy famindram-po avy amin'Andriamanitra isika rehetra (Titosy 3:5-7). Noho ny fahotantsika dia mendrika ny handray fanamelohana mandrakizay isika (Matio 25:46). Ny vavaky ny mpanota dia fangatahana famindram-po raha tokony handray fitsarana. Fangatahana fihantrana raha tokony handray fahatezerana.

Ny endrika faharoa hisehoan'ny vavaky ny mpanota dia ny fanekena izay nataon'Andriamanitra hamonjena antsika amin'ny fahaverezana sy fahotana. Tonga nofo Andriamanitra ary tonga olona tao amin'i Jesosy Kristy (Jaona 1:1,14). Nampianarin'i Jesosy antsika ny fahamarinana momba an'Andriamanitra ary niaina fiainana tsy manantsiny sy tsy nisy fahotana Izy (Jaona 8:46; 2 Korintiana 5:21). Rehefa izany dia maty nisolo toerana antsika teo amin'ny hazo fijaliana Izy, ary nitondra ny sazy rehetra tokony ho antsika (Romana 5:8). Nitsangana tamin'ny maty Jesosy hanehoany ny fandreseny ny fahotana, fahafatesana, ary ny helo (Kolosiana 2;15; 1 Korintiana toko faha 15). Noho izany rehetra izany dia afaka ny ho voavela ny fahotantsika ary manantena ilay fonenana mandrakizay any an-danitra - raha mametraka ny finoantsika amin'ny Jesosy Kristy isika. Ny hany tokony hataontsika dia ny mino fa maty teo amin'ny toeran-tsika ary nitsangana tamin'ny maty Izy (Romana 10:9-10). Ny fahasoavana tokana, amin'ny alalan'ny finoana irery ihany ary ao amin'ny Jesosy Kristy irery ihany no ahazoantsika famonjena. Efesiana 2:8 dia manambara, "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin' ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin' Andriamanitra."

Ny fitenenana ny vavaky ny mpanota dia fomba tsotra hanambarana amin'Andriamanitra fa miankina amin'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy anao ianao. Tsy misy tena "mahagaga" miteraka famonjena. Finoana ny fahafatesan'i Jesosy sy ny fitsanganany tamin'ny maty no afaka manavotra antsika. Raha azonao fa mpanota ianao ary mila famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy dia misy vavaky ny mpanota azonao atao ity: "Andriamanitra o, fantatro fa mpanota aho. Fantatro fa mendrika handray ny vokatry ny fahotako aho. Kanefa mahatoky an'i Jesosy Kristy ho mpamonjy ahy aho. Mino aho fa ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty dia niantoka ny famonjena ahy. Mahatoky an'i Jesosy aho ary Jesosy irery ihany ho Tompoko sy Mpamonjy ahy. Misaotra Tompo ny amin'ny famonjenao ahy sy ny famelanao ny heloko! Amena!"

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona ny atao hoe vavaky ny mpanota?
© Copyright Got Questions Ministries