settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona avy ireo zava-dehibe efatra momba ny fiainana ara-panahy?

Valiny


Ny Zava-dehibe efatra momba ny fiainana ara-panahy dia fomba hizarana ny vaovao mahafalin'ny famonjena avy amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy. Fomba tsotra handrafetana ireo hafatry ny filazantsara amina fizarana efatra izany.

Ny voalohany amin'ireo Zava-dehibe efatra momba ny fiainana ara-panahy dia "Tia anao Andriamanitra ka manolotra fiainana mahagaga ho anao." Jaona 3:16 dia milaza "Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 10:10 dia manambara ny antony nahatongavan'i Jesosy "Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be." Inona no misakana antsika tsy hiaina ny fitiavan'Andriamanitra? Inona no misakana antsika tsy hiaina ilay fiainana be dia be?

Ny fizarana faharoan'ny Zava-dehibe efatra momba ny fiainana ara-panahy dia "Voaloton'ny fahotana ny olona ka manjary tafasaraka amin'Andriamanitra. Vokatr'izany dia tsy miaina ilay fiainana mahagaga tian'Andriamanitra hatolotra isika." Manamafy izany ny Romana 3:23 "fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin' Andriamanitra" Romana 6:23 dia mampiseho antsika ny vokatry ny fahotana, "Fa fahafatesana no tambin' ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika." Noforonin'Andriamanitra hanana fifandraisana aminy isika. Indrisy anefa fa nitondra fahotana teto an-tany ny zanak'olom-belona ka niteraka fisarahana tamin'Andriamanitra. Nosimbantsika ny fifandraisana nokasain'Andriamanitra ho amin'ny fiainantsika. Inona ny vahaolana?

Ny fahatelo amin'ny Zava-dehibe efatra momba ny fiainana ara-panahy dia, "Jesosy Kristy irery ihany no manafaka amin'ny fahotana. Afaka mandray famelan-keloka sy manana fifandraisana amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy." Romana 5:8 dia milaza "fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika; fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy." 1 Korintiana 15:3-4 dia mampahafantatra antsika ny amin'ny tokony ho fantatsika sy hinoantsika mba handraisana famonjena, "...Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin' ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina..." Jesosy dia nanambara fa Izy irery ihany ny lalana tokana ahazoana famonjena Jaona 14:6, "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin' ny Ray, afa-tsy amin' ny alalako." Ahoana no ahafahako mahazo izany famonjena izany?

Ny zava-dehibe efatra momba ny fiainana ara-panahy dia milaza fa "Tsy maintsy manaiky an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy isika ahafantsika mandray ilay famonjena sy miaina ilay fiainana mahagaga tian'Andriamanitra hatolotra." Jaona 1:12 dia mampiseho izany antsika, "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak' Andriamanitra, dia izay mino ny anarany". Mazava ny hilazan'ny Asan'ny Apostoly 16:31 azy, "Minoa an' i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao." Ny fahasoavana tokana, amin'ny alalan'ny finoana irery ihany ary ao amin'ny Jesosy Kristy irery ihany no ahazoantsika famonjena (Efesiana 2:8-9).

Raha te-handray an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy anao ianao dia teneno an'Andriamanitra ireto teny manaraka ireo. Tsy mahavonjy anao ny fitenenana ireto teny ireto, ny fametrahanao ny fitokisanao ao amin'i Kristy irery ihany no hahatonga izany! Ity vavaka ity dia fomba tsotra anehoanao amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy hisaoranao Azy ny amin'ny nanomezany anao famonjena. "Andriamanitra o, fantantro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Mametraka ny fahatokiako eo Aminao ho famonjena ahy aho. Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe - ny fanomezana fiainana mandrakizay! Amena!"

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona avy ireo zava-dehibe efatra momba ny fiainana ara-panahy?
© Copyright Got Questions Ministries