settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona ny antokom-pivavahana mety amiko?

Valiny


Sarihan'ny mpivarotra hani-masaka amin'ny fanomezana sakafo araka izay ilantsika azy isika. Ny mpivarotra kafe sasany dia mirehareha fatratra amin'ireo karazana kafe amanjatony hita ao aminy. Eny fa na dia mividy trano sy fiara aza dia afaka mividy izay misy ny safidy rehetra ilaintsika isika. Tsy miaina amin'ny tontolo voafetra ao anaty sokola, vanila sy frezy fotsiny intsony isika. Andrianina ny safidy! Afaka mahita izay rehetra ilainao ianao araka ny filana sy fitiavanao manokana.

Ary ahoana kosa ny antokom-pivavahana mety aminao? Antokom-pivavahana tsy manameloka, tsy mitaky na inona na inona ary tsy manasaro-javatra amin'ny lalana tsy maintsy sy tsy azo atao? Misy antokom-piavavahana araka izany filazako azy izany mihitsy. Kanefa azo fidiana toy ny mifidy glasy ve ny antokom-pivavahana?

Betsaka ny feo miantso antsika koa inona no tokony hifidianana an'i Jesosy mihoatra noho ny hifidianana an'i Mohameda na Conficius, Buddha na Charles Taze Russell na i Joseph Smith? Sady tsy efa fiteny ve ny hoe mitondra makany an-danitra avokoa ny lalana rehetra e? Tsy mitovy avokoa ve ny antokom-pivavahana rehetra? Ny fahamarinana dia tsy mitondra makany an-danitra avokoa ny antokom-pivavahana rehetra, tahaka ny tsy hiafaran'ny lalana rehetra any Indianna.

Jesosy irery ihany no miteny amin'ny fahefan'Andriamanitra satria Jesosy irery ihany no nandresy ny fahafatesana. Mohamed, Confucius sy ireo hafa dia simba ao am-pasany mandrak'androany. Fa i Jesosy kosa tamin'ny alalan'ny heriny, dia nivoaka ny fasana telo andro taorian'ny nahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana Romana. Izay rehetra manana hery mandresy fahafatesana dia mendrika ny ho jerena akaiky. Izay rehetra manana hery mandresy fahafatesana dia mendrika ny henoina.

Ny porofo manohana ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia mihoatra noho ny ampy. Voalohany dia nisy vavolom-belona nanatry maso mihoatra ny dimanjato nahita ny fitsanganan'i Kristy! Vavolom-belona nanatry maso betsaka izany. Tsy azo atao tsinotsinona ny feon'olona dimanjato. Eo ihany koa ny fasana foana. Mora tamin'ny fahavalon'i Jesosy ny mampitsahatra ny resaka momba ny fitsanganany tamin'ny maty amin'ny fanehoana ny vatany, sy ny taolam-balony, kanefa tsy nisy taolam-balo azony naseho. Foana ny fasana! Mety ho nangalarin'ireo mpianatra ve ny taolam-balony? Tsia an. Mba tsy hisian'izany indrindra no nahatonga ny fasana nambenan'ny miaramila mirongo fiadiana. Hevero fa ireo mpianatra akaiky Azy ireo dia nandositra nandritra ny nisamborana sy nanombohona Azy; sarotra ny mieritreritra hoe ireo mpanarato kanosa ireo dia sahy hiatrika sy hiady amin'ny miaramila tsara hofana. Na koa hoe hanolotra ny ainy sy ho maritiora - ny ankamaroan'izy ireo dia maty martiora - amin'ny lainga. Ny zava-misy dia tsy misy azo atao hanafoanana ny fahamarinana fa nitsangana tamin'ny maty Jesosy!

Averina indray fa izay rehetra manana hery mandresy fahafatesana dia mendrika ny henoina. Nampiseho ny heriny teo anatrehan'ny fahafatesana Jesosy; noho izany dia mila mihaino izay lazainy isika. Nilaza Jesosy fa Izy irery no lalana ahazoana famonjena (Jaona 14:6). Tsy iray amin'ny lalana; Tsy iray amin'ireo lalana. Jesosy ilay lalana.

Ary io Jesosy io ihany koa no niteny hoe, "Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana" (Matio 11:28). Mila miady eto an-tany ary sarotra ny fiainana. Ny akamaroantsika dia mihoson-dra, mangana sy feno holatry ny ady. Sa ahoana? Ka inona ary no ilainao? Famelomana sa antokom-pivavahana fotsiny? Mpamonjy velona sa iray amin'ireo "mpaminany" maty? Fifandraisana mitondra fahafaham-po sa fombafomba tsy mitondra mankaiza? Tsy iray amin'ireo safidy Jesosy - Izy no hany safidy tokana!

Jesosy no antokom-pivavahana mety raha famelan-keloka no tadiavinao (Asan'ny Apostoly 10:43). Jesosy no antokom-pivavahana mety raha mila fifandraisana mitondra fahafam-po miaraka amin'Andriamanitra ianao (Jaona 10:10). Jesosy no antokom-pivavahana mety raha mitady fonenana mandrakizay any an-danitra ianao (Jaona 3:16). Apetraho amin'ny Jesosy ny finoanao ary ekeo Izy ho Mpamonjy fa tsy hanenenanao izany! Mahatokia Azy amin'ny famelana ny helokao; tsy ho diso fanatenana ianao.

Raha mitady fifandraisana amin'Andriamanitra ianao dia misy vavaka azonao atao ity. Tsarovy fa ny fanaovana ity vavaka ity na vavaka hafa ihany koa dia tsy hamonjy anao. Ny fahatokiana an'i Kristy irery ihany no hany mamonjy anao amin'ny fahotanao. Ity vavaka ity dia fomba tsotra anehoanao amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy hisaoranao Azy ny amin'ny nanomezany anao famonjena. "Andriamanitra o, fantantro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Mametraka ny fahatokiako eo Aminao ho famonjena ahy aho. Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe - ny fanomezana fiainana mandrakizay! Amena!"

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona ny antokom-pivavahana mety amiko?
© Copyright Got Questions Ministries