settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona marina ny antom-pisiana?

Valiny


Inona marina ny antom-pisiana? Ahoana no hananako antom-pisiana, fahafaham-po ary fahafenoina eo amin'ny fiainana? Mety ho afaka mahavita zavatra manan-danja sy maharitra ve aho? Misy olona tsy mbola nametraka izany fanotaniana goavana izany teo amin'ny fiainany mihitsy. Mijery ny fiainany izy aty aoriana ka manontany tena ny antony nahatonga ny fifandraisany ho nikorontana sy ny mahatonga azy mahatsiaro ho foana, eny fa na dia tratrany aza ny tanjona izay nokasainy ho tratrarina. Mpilalao baseball iray izay tafiditra anatin'ny lisitry ny mpilalao malaza, rehefa nanontaniana ny zavatra niriany ho fantatra tamin'ny fotoana nanombohany nilalao, dia namaly heo: "Niriako tokoa raha mba nisy nilaza tamiko fa rehefa tonga any amin'ny faran-tampony ianao dia foana tsy misy na inona na inona ao." Betsaka ny tanjona tsy hita ny maha foana azy raha tsy efa nandaniana taona maro nanenjika azy.

Ao anatin'ity fiaraha-monina manompo olona misy antsika ity dia manenjika zavatra maro ny olona, mihevitra fa ireny zavatra ireny no hanome azy fahafenoina. Anisan'ny zavatra enjehin'ny olona ny fahombiazana amin'ny fitadiavana, harena, fifandraisana tsara, firaisana ara-nofo, fialam-boly, ary ny fanaovana asa soa. Manambara ny olona fa na dia tratrany aza ny tanjony amin'ny fahazoana harena, fifandraisana, fahafinaretana dia mbola misy banga ary foana ny fihetsaham-po ao anatiny no sady tsy misy mahafeno azy.

Nanambara izany fahatsapana izany ny Mpanoratra ny Mpitoriteny rehefa niteny hoe "Zava-poana! Zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra" (Mpitoriteny 1:2). Solomona mpanjaka nanoratra ny Mpitoriteny dia nanan-karem-be, nanana fahendrena nihoatra ny olona rehetra tamin'ny androny sy ny androntsika, vehivavy anjatony maro, lapa sy zaridaina nampitsiriritra ny fanjakana manodidina, sakafo sy divay tsara indrindra ary izay karazana fialam-boly rehetra nisy. Ary izy tenany no nanambara fa izay rehetra nilain'ny fony dia nalainy. Kanefa ny namintinany ny fiainana eto "ambany masoandro" - fiainana iainana toy ny tsy misy afatsy izay hitan'ny maso sy tsapan'ny nofo fotsiny - dia zava-poana! Inona no mahatonga izany fahabangana lehibe izany? Satria Andriamanitra namorona antsika hiaina zavatra mihoatra noho ny izay hita izao ankehitriny izao fotsiny. Solomona nilaza fa Andriamanitra nametraka ny mandrakizay ao ampon'ny olona... (Mpitoriteny 3:11). Ao am-pontsika dia mahalala isika fa misy zavatra mihoatra izao ankehitriny izao.

Hitantsika ao amin'ny Genesisy, boky volohan'ny Baiboly fa noforonin'Andriamanitra araka ny endriny ny olona (Genesisy 1:26). Midika izany fa mitovy amin'Andriamanitra kokoa isika noho ny zavatra hafa rehetra (izay karazan-java-mananaina hafa). Hitantsika ihany koa fa talohan'ny fahalavoan'ny olona tamin'ny fahotana sy nahatongavan'ny ozona tety an-tany dia marina ireto zavatra manaraka ireto: (1) Noforonin'Andriamanitra hifandray ny olona (Genesisy 2:8-15); (2) Nomen'Andriamanitra asa ny olona (Genesisy 2:15); (3) Manana fifandraisana tamin'ny olona Andriamanitra (Genesisy 3:8); ary (4) nomen'Andriamanitra fahefana hanjaka ny tany ny olona (Genesisy 1:26). Inona ny hevitr'izany rehetra izany? Nataon'Andriamanitra izany rehetra izany hanome antsika fiainana feno, kanefa izany rehetra izany (indrindra ny fifandraisan'ny olona tamin'Andriamanitra) dia noravan'ny fahalavoan'ny olona tamin'ny fahotana sy ny ozona vokatr'izany (Genesisy 3).

Ao amin'ny bokin'ny Apokalypsy, ilay boky farany ao amin'ny Baiboly, dia milaza Andriamanitra fa handrava ity tany sy lanitra fantantsika ity ary hanolotra tany sy lanitra vaovao izay maharitra mandrakizay. Amin'izany fotoana izany dia hamerina ilay fifandraisana feno amin'ireo olona voavonjy Izy fa ireo izay tsy voavonjy kosa dia ho voatsara ho tsy mendrika ary halefa any amin'ny farihy mirehitr'afo (Apokalypsy 20:11-15). Ho tapitra tanteraka ny ozon'ny fahotana; tsy hisy intsony ny fahotana, fahoriana, aretina, fahafatesana, fanaintainana, sns. (Apokalypsy 21:4), ary ny mpino handova ny zavatra rehetra. Hiara mitoetra aminy Andriamanitra ary izy ireo ho zanany (Apokalypsy 21:7). Dia miverina indray amin'ny hoe Andriamanitra namorona antsika hanana fifandraisana aminy, nanota ny olona ka nandrava izany fifandraisana izany, naverin'Andriamanitra tanteraka indray izany fifandraisana izany miaraka amin'izay hitany fa mendrika. Ny hamakivaky fiainana hamita izay rehetra azo vitaina kanefa hiafara amin'ny fahafatesana tafasaraka amin'Andriamanitra dia ratsy lavitra noho ny tsinotsinona! Kanefa Andriamanitra dia nanao lalana, tsy vitan'ny hoe hiainana fiainam-pahasambarana any an-danitra fotsiny ihany (Lioka 23:43), fa hiainana fiainana feno sy mahafa-po eto an-tany ihany koa. Ahoana no ahazoana izany fiainam-pahasambarana any an-danitra sy ety an-tany izany?

ANTOM-PISIANA NAVERINA TAMIN'NY ALALAN'I JESOSY KRISTY

Ny tena antom-pisiana ankehitriny sy ny mandrakizay dia hita ao amin'ny famerenana ny fifandraisana amin'Andriamanitra izay very tamin'ny fotoana nahalatsaka an'i Adama sy Eva tamin'ny fahotana. Ankehitriny dia azo atao ny manana fifandraisana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Zanany, Jesosy Kristy (Asan'ny Apostoly 4:12; Jaona 14:6; Jaona 1:12). Azo amin'ny alalan'ny fibebahana amin'ny fahotana ny fiainana mandrakizay (tsy te hanoy hiaina izany intsony ary maniry an'i Kristy hanova sy hanavao ho olom-baovao) sy amin'ny fahatokiana an'i Jesosy ho mpamonjy (jereo ny fanotaniana, "Inona ny lalan'ny famonjena?" raha te-hamantatra bebe kokoa momba ity zavatra goavana ity).

Ny tena antom-pisiana dia tsy hita fotsiny ao amin'ny fahitana an'i Jesosy ho mpamonjy (na dia tsara aza izany). Ny antom-pisiana dia azo rehefa manomboka manaraka an'i Kristy toy ny mpianatra, mandany fotoana miaraka aminy sy ao amin'ny Teniny, ny Baiboly, mifandray aminy amin'ny alalan'ny vavaka, ary miara-mamindra aminy amin'ny fankatoavana ny didiny. Raha tsy mpino ianao (na vao nanolon-tena) dia mety hiteny hoe "Tsy manaitra sy mitondra fahafaham-po ho ahy izany!" Kanefa miangavy anao aho mba hitohy hamaky. Izao manaraka izao no tenin'i Jesosy:

"Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an' ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako" (Matio 11:28-30). "Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be" (Jaona 10:10b). "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy hand' ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany" (Matio 16:24-25) "Ary miravoravoa amin' i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin' ny fonao" (Salamo 37:4).

Ny zavatra hambaran'izany andalan-tsoratra masina rehetra izany dia manana safidy isika. Afaka mitohy mitondra ny fiainantsika isika, izay miteraka fiainana foana, na mifidy ny hitady an'Andriamanitra sy ny sitrapony eo amin'ny fiainantsika amin'ny fontsika rehetra izay miteraka fiainana be dia be, mitondra fahafaham-po ary miteraka fifaliana sy fahafenoina. Izany rehetra izany satria tia antsika ny Mpamorona antsika ary maniry ny hanome ny tsara indrindra ho antsika (tsy ho voatery ilay fiainana mora indrindra fa ilay fiainana mitondra fahafaham-po indrindry).

Raha mpitia fanatanjahan-tena ianao ary mifidy ny hanao izany ho asa, tsy afaka ny ho kahidy amin'ny fandaniam-bola kanefa hanatratra ny tampony na handany vola kely dia ho lasa lavitra sy ho tena mahay. Dia toy izany ihany koa amin'ny fiainana Kristiana. Ny mahita an'Andriamanitra mivantana manao ny asany dia tsy natao ho an'ny Krisitiana alahady fotsiny. Tsy nanome ny fandavan-tena notakiana izy. Ny mahita an'Andriamanitra mivantana manao ny asany dia natao ho an'ny mpianatr'i Kristy manaraka azy amin'ny fony rehetra izay tena nahafoy ny faniriany mba ahafahany manarakany fanirian'Andriamanitra eo amin'ny fiainany. Nanana fandavan-tena izy (fanekena tanteraka an'i Kristy sy ny sitrapony); miaina ny fiainany amin'ny fahafenoina tanteraka izy; ary tsy misy nenina amin'ny fihatrehany ny tenany, ny manodidina azy ary ny Mpamorona azy. Nanana fandavan-tena ve ianao? Vonona ny amin'izany ve ianao? Raha izany dia hitsahatra tsy hitady antom-pisiana sy dikam-piainana intsony ianao.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona marina ny antom-pisiana?
© Copyright Got Questions Ministries