settings icon
share icon
Fanontaniana

Tena misy ve Andriamanitra? Ahoana no ahazoako antoka fa tena misy Andriamanitra?

Valiny


Fantantsika fa misy Andriamanitra satria nampiseho ny tenany amintsika amin'ny fomba telo Izy: ny famoronana, ny Teniny ary ny Zanany, Jesosy Kristy.

Ny porofo tsotra indrindra mampiseho ny fisian'Andriamanitra dia ny zavatra noforoniny. "Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah' Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin' ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin' ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo" (Romana 1:20) "Ny lanitra mitory ny voninahitr' Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan' ny t'nany." (Salamo 19:1).

Raha mahita famataranandro any an-tsaha aho, tsy ho azoko atao mihitsy ny hilaza fa "tonga tampoka" teo izany na efa teo hatrizay. Satria misy marika ilay famantaranandro dia azoko an-tsaina fa marik'ilay mpamorona azy izany. Misy marika lehibe lavitra ny tontolo manodidina antsika. Ny fandrefesantsika ny fotoana dia tsy miankina amin'ny famantaran'andro fa miankina amin'ny asa-tanan'Andriamanitra - ny fihodin'ny tany (sy ny toetra manokan'ny cesium- atoma 133). Maneho asa famoronana kanto izao tontolo izao ary manamafy ny fisian'ny Mpamorona Kanto.

Raha mahita hafatra miafina aho dia hitady manampahaizana mpamaha hafatra miafina hamantarako izay tiany hambara. Midika izany amiko fa misy mpandefa hafatra mahay any ho any, ilay namorona ilay hafatra miafina. Hevero ny fahasarotan'ny ADN ao anatin'ny selan'ny vatantsika rehetra? Tsy mampiseho ny fahaizana sy ny halalin'ilay Mpanoratra ve izany ADN izany?

Tsy vitan'ny hoe nataon'Andriamanitra tamin'ny antsipiriainy izao tontolo izao fa napetrany ao am-pon'ny olona ihany koa ny mandrakizay (Mpitoriteny 3:11). Ao anatin'ny olona ny mahita fa misy zavatra mihoatra noho izay hitan'ny maso; misy zavatra hafa mihoatra ny fiainana andavanandro. Ny fahatsapan'ny olona ny mandrakizay dia miseho amin'ny fomba roa: fanaovana lalana sy ny fanompoana.

Ny fiarahamonina nisy hatrizay dia nanome lanja ny lalana ara-moraly, izay mahagaga ny fahitana azy fa betsaka hifandraisany ny kolontsaina tsirairay avy. Ohatra amin'izany ny faneken'izao tontolo izao ny fitiavana, sy ny fanamelohan'izao tontolo izao ny lainga. Ity moraly iraisana ity - fiaraha-manaiky ny mety sy ny tsy mety - dia mampiseho fa misy mpamorona faratampony nanome antsika izany moraly izany.

Torak'izany ihany koa ny olona manerana izao tontolo izao, n'aiza n'aiza kolontsaina misy azy, dia manana fomba fanompoana. Mety ho samy manana ny antom-panompoany ny tsirairay, fa ny fanekena fa misy "hery hafa" dia eo amin'ny olona rehetra. Ny fironantsika makany amin'ny fanompoana dia avy amin'ny namoronan'Andriamanitra antsika tahaka ny endriny (Genesisy 1:27).

Nampiseho ny tenany tamintsika amin'ny alalan'ny Teniny, ny Baiboly, ihany koa Andriamanitra. Ao anatin'ny Soratra Masina manontolo dia fahamarinana mazava ny fisian'Andriamanitra (Genesisy 1:1; Eksodosy 3:14). Rehefa nanoratra ny momba ny tenany Benjamin Franklin dia tsy nandany andro nanotra porofo hanazavana ny fisiany izy. Toy izany koa Andriamanitra tsy nandany andro nanamarina sy nampiseho ny fisiany ao amin'ny bokiny. Ny fahefana mitondra fiovana mikoriana amin'ny Baiboly, ny fahamarinany, ary ny fahagagana manaraka izay voasoratra dia tokony ho ampy hijerena izany akaiky.

Ny fomba fahatelo anehoan'Andriamanitra ny fisiany dia ny Zanany, Jesosy Kristy (Jaona 14:6-11). "Tamin' ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin' Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika. ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an' ny Lahitokana avy tamin' ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana" (Kolosiana 2:9).

Teo amin'ny fiainan'i Jesosy dia narahany tanteraka ny Testameta Taloha ary notanterahiny ny faminaniana momba ny Mesia (Matio 5:17). Nanao asa sy fihantrana ary fahagagana maro be Izy nanamarinana ny hafatra nentiny ary nanaporofoiny ny maha Andriamanitra Azy (Jaona 2124-25). Telo andro taorian'ny namantsihana Azy dia nitsangana tamin'ny maty Izy. Nohamarinin'ny vavolom-belona nanatry maso anjatony izany (1 Korintiana 15:6). Ny rakitra ara-tantara dia feno "porofo" manamarina ny fisian'i Jesosy. Araka ny filazan'ny Apostoly Paoly hoe, "tsy natao tao amin' ny takona izany" (Asan'ny Apostoly 26:26).

Iarahana manaiky fa misy mandrakariva ireo misalasala manana ny heviny manokana momba an'Andriamanitra ary hamaky sy hijery ny porofo araka izay ao anatiny. Hisy mandrakariva ireo tsy manaiky ho resy lahatra na dia misy porofo maro be aza (Salamo14:1). Finoana no fototry ny zavatra rehetra (Hebreo 11:6).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Tena misy ve Andriamanitra? Ahoana no ahazoako antoka fa tena misy Andriamanitra?
© Copyright Got Questions Ministries