settings icon
share icon
Fanontaniana

Jesosy irery ve no lalana makany an-danitra?

Valiny


"Ho lasa any an-danitra aho satria tsy olona ratsy fanahy." "Manaiky aho fa misy tsy mety ny ataoko kanefa betsaka kokoa ny zavatra tsara noho ny ratsy, noho izany dia afaka ny ho any an-danitra aho." "Tsy hoe rehefa tsy miaina araka ny Baiboly aho dia alefan'Andriamanitra any amin'ny afo be. Efa niova ny zavatra rehetra!" "Izay olona tena ratsy fanahy tahakan'ny mpametaveta zaza sy mpamono olona ihany no makany amin'ny afo be."

Fomba fihevetry ny olona betsaka izany rehetra izany kanefa ny marina dia lainga avokoa izany. Satana, ilay andrian'izao tontolo izao, no mamboly izany fisainana izany ao an-tsaintsika. Izy sy izay rehetra manaraka ny fombany dia fahavalon'Andriamanitra (1 Petera 5:8). Mpamitaka Satana ary mampiseho endrika tsara izy (2 Korintiana 11:14), kanefa manjaka amin'ny saina rehetra izay tsy hanjakan'Andriamanitra izy. "Izay nohajambain' ny andriamanitr' izao tontolo izao, dia ny sain' ny tsy mino, mba tsy hiposahan' ny fahazavan' ny filazantsaran' ny voninahitr' i Kristy, Izay endrik' Andriamanitra" (2 Korintiana 4:4).

Lainga ny finoana fa Andriamanitra dia tsy miraharaha fahotana madinika na ihany koa ny filazana fa ho an'ny "olona ratsy" fanahy ihany ny afo be. Ny fahotana rehetra dia mampisaraka antsika amin'Andriamanitra, eny fa na dia "lainga masina" kely iray aza. Samy efa nanota ny rehetra ary tsy misy olona manana fahamarinana ampy ahafahany makany an-danitra (Romana 3:23). Tsy ny haben'ny tsara mihoatra noho ny ratsy atao no mitondra makany an-danitra; raha izay no hitsarana azy dia ho resy avokoa isika rehetra. "Ary raha avy amin' ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin' ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana." (Romana 11:6). Tsy misy zavatra tsara azontsika atao ahazoantsika miditra ny lanitra (Titosy 3:5).

"Midira amin' ny vavahady 'ty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny l'lana izay mankany amin' ny fahaverezana, ka maro ny miditra any" (Matio 7:13). Eny fa na dia miaina ao anaty fahotana avokoa aza ny rehetra ao anatina fiaraha-monina tsy manandratra ny fahatokiana an'Andriamanitra dia tsy milefitra manoloana izany Izy. "Ary hianareo dia efa novelominy, fony mbola matin' ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban' izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin' ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin' ny zanaky ny tsi-fanarahana;" (Efesiana 2:1-2).

Rehefa namorona izao tontolo izao Andriamanitra dia tonga lafatra sady tsara izany. Rehefa izany dia namorona an'i Adama sy Eva Izy ary nomeny safidy malalaka izy ireo na hanaraka Azy na tsia. Kanefa nalain'i Satana fanahy hanohitra an'Andriamanitra izy ireo ary nanota. Nampisaraka azy ireo (sy izay rehetra naterany, ao anatin'izany isika) tamin'ny fahafahana manana fifandraisana akaiky tamin'Andriamanitra izany. Fanaperana sy masina Izy ary tsy maintsy mitsara fahotana. Amin'ny maha mpanota antsika dia tsy afaka mamerina fifandraisana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny herin'ny tenantsika isika. Noho izany dia nomen'Andriamanitra lalana ahafahantsika mifandray aminy indray any an-danitra isika. "Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." (Jaona 3:16). "Fa fahafatesana no tambin' ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika" (Romana 6:23). Nateraka mba ho sorona noho ny fahotantsika Jesosy. Telo andro taorian'ny fahafatesany dia nitsangana tamin'ny maty Izy (Romana 4:25), nampiseho fa resiny ny fahafatesana. Noravany ny efitra mampisaraka an'Andriamanitra sy ny olona mba ahafahantsika hanana fifandraisana manokana Aminy raha mino isika.

"Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao." (Jaona 17:3). Ny akamaroan'ny olona dia mino an'Andriamanitra, eny fa na i Satana ihany koa aza. Fa mba handraisana famonjena dia tsy maintsy mivily amin'Andriamanitra isika, manorina fifandraisana Aminy, miala amin'ny fahotana ary manaraka Azy. Mila mahatoky an'i Jesosy amin'ny zavatra rehetra hananantsika sy hataontsika isika. "Dia ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra amin' ny finoana an' i Jesosy Kristy ho an' izay rehetra mino; fa tsy misy hafa" (Romana 3:22). Mampianatra ny Baiboly fa tsy misy lalana hafa ahazoana famonjena raha tsy amin'ny alalan'i Kristy irery ihany. Hoy Jesosy ao amin'ny Jaona 14:6, "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin' ny Ray, afa-tsy amin' ny alalako."

esosy no lalana tokana ho amin'ny famonjena satria Izy irery ihany no afaka manefa ny trosan'ny fahotantsika (Romana 6:23). Tsy misy fombam-pivavahana hafa mampianatra ny maha zava-doza ny fahotana sy ny vokany. Tsy misy fombam-pivavahana hafa manolotra ny fanefana ny trosan'ny fahotana izay tsy misy mahaloa afatsy Jesosy irery ihany. Tsy misy 'mpamorona' fombam-pivavahana Andriamanitra tonga nofo (Jaona 1:1,14) - ilay fomba tokana hanefana ilay trosa tsy manampahataperana. Tsy maintsy Andriamanitra Jesosy mba ahafahany mandoa ny trosan'ny fahotantsika. Tsy maintsy olona Jesosy ahafahany maty. Amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy irery ihany no ahafahana mandray famonjena. "Ary tsy misy famonjena amin' ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin' ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena" (Asan'ny Apostoly 4:12).

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Jesosy irery ve no lalana makany an-danitra?
© Copyright Got Questions Ministries