settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona ny lalan'ny Romana ho amin'ny famonjena?

Valiny


Ny lalan'ny Romana ho amin'ny famonjena dia fomba fizarana ny vaovao mahafaly amin'ny alalan'ny andalan-tsoratra Masina nalaina tao amin'ny bokin'ny Romana. Fomba tsotra nefa tena mahomby hanazavana ny antony hilantsika famonjena, ny fomba hanomezan'Andriamanitra famonjena, ny fomba ahazoantsika famonjena, sy ny vokatry ny famonjena.

Ny andalana voalohany ao amin'ny lalan'ny Romana ho amin'ny famonjena dia ny Romana 3:23, "fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin' Andriamanitra." Samy efa nanota isika rehetra. Samy efa nanao zavatra tsy nahafaly an'Andriamanitra isika. Tsy misy na iray aza tsy manan-tsiny. Romana 3:10-18 dia manome fanazavana antsipiriainy ny fisehon'ny fahotana eo amin'ny fiainantsika. Ny andalana faharoa amin'ny lalan'ny Romana, Romana 6:23, dia mampianatra antsika ny vokatry ny fahotana - "23 Fa fahafatesana no tambin' ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika." Ny sazy azontsika avy amin'ny fahotana dia fahafatesana. Tsy fahafatesana ara-nofo fotsiny ihany fa fahafatesana mandrakizay ihany koa!

Ny andalana faha-telo amin'ny lalan'ny Romana dia ny tohin'ny Romana 6:23, "ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika."Romana 5:8 dia manambara fa, "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy." Maty ho antsika Jesosy Kristy! Nisolo ny trosan'ny fahotantsika ny fahafatesan'i Jesosy. Ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia manaporofo fa neken'Andriamanitra ho fanefana ny trosan'ny fahotantsika Jesosy.

Ny dingana faha-efatra amin'ny lalan'ny Romana dia Romana 10:9, "satria raha manaiky an' i Jesosy ho Tompo amin' ny vavanao hianao ary mino amin' ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin' ny maty, dia hovonjena hianao." Noho ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny toerantsika dia tsy misy tokony hataontsika afatsy ny mino Azy, mahatoky ny fahafatesany ho fanefana ny trosan'ny fahotantsika mba ahazoantsika famonjena! Romana 10:13 dia mbola manamafy izany, "Fa izay rehetra miantso ny anaran' ny Tompo no hovonjena." Naloan'i Jesosy ny trosan'ny fahotantsika ary namonjy antsika tamin'ny fahafatesana mandrakizay Izy. Ny famonjena, famelan-keloka, dia misokatra ho an'ny rehetra mahatoky an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy.

Ny endrika farany hisehoan'ny lalan'ny Romana dia ny vokatry ny famonjena. Romana 5:1 dia mitondra izany hafatra mahafinaritra izany, "Koa amin' izany, satria efa nohamarinina tamin' ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin' Andriamanitra amin' ny alalan' i Jesosy Kristy Tompontsika." Amin'ny alalan'i Jesosy Kristy dia afaka manana fifandraisana milamina miaraka amin'Andriamanitra isika. Romana 8:1 dia mampianatra antsika, "Ary amin' izany dia tsy misy fanamelohana ho an' izay ao amin' i Kristy Jesosy." Noho ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny toerantsika dia tsy ho helohina noho ny fahotana intsony isika. Farany dia manana ity teny fampanatenana sarobidy avy amin'Andriamanitra ity isika avy ao amin'ny Romana 8:38-39, "Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin' izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin' ny fitiavan' Andriamanitra izay ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika."

Tianao ve ny hanaraka ny lalan'ny Romana ho amin'ny famonjena? Raha vonona ianao dia misy vavaka fohy azonao atao amin'Andriamanitra ity. Ny filazana ity vavaka ity dia fanambarana ataonao amin'Andriamanitra fa mahatoky an'i Jesosy ho amin'ny famonjena anao ianao. Tsy ilay teny tenenina akory no hamonjy anao. Ny finoana an'i Jesosy Kristy irery ihany no hitondra famonjena! "Andriamanitra o, fantantro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Amin'ny fanampianao dia mametraka ny finoako amin'ny famonjenao aho. Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe - ny fanomezana fiainana mandrakizay! Amena!"

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona ny lalan'ny Romana ho amin'ny famonjena?
© Copyright Got Questions Ministries