settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona ny hevitry ny hoe manaiky an'I Jesosy ho mpamonjy manokana?

Valiny


Efa nanaiky an'I Jesosy ho tomponao manokana ve ianao? Ahafahanao mahazo izany fanotaniana izany dia mila azonao mazava ny teny hoe "Jesosy Kristy", "manokana", "Mpamonjy".

Iza moa Jesosy Kristy? Betsaka ny olona manaiky an'I Jesosy Kristy ho olona tsara, mpampianatra mahay, na ihany koa ho mpaminanin'Andriamanitra. Marina avokoa izany zavatra rehetra izany, kanefa tsy mahafehy ny famaritana an'I Jesosy. Milaza antsika ny Baiboly fa Andriamanitra tonga nofo Jesosy (jereo Jaona 1:1, 14). Tonga teto an-tany hampianatra, hanasitrana, hanitsy sy hamela ary hanolotra ny ainy ho antsika Andriamanitra. Andriamanitra Mpamorona sy Tompo tsitoha Jesosy Kristy. Efa nanaiky an'I Jesosy ve ianao?

Inona ny atao hoe Mpamonjy ary maninona no mila mpamonjy isika? Milaza ny Baiboly fa samy efa nanota isika rehetra; samy efa nanao ratsy isika rehetra (Romana 3:10-18). Noho ny fahotantsika dia mendrika handray ny fahatezeran'Andriamanitra sy fitsarana isika. Ny hany sazy sahaza ny fahotana natao tamin'Andriamanitra tsy manam-petra dia sazy tsy manam-petra (Romana 6:23; Apokalypsy 20:11-15). Izay no hamatonga antsika mila Mpamonjy!

Tonga teto an-tany Jesosy Kristy ary maty nisolo antsika. Tonga tety an-tany Jesosy ary maty nisolo voina antsika. Ny fahafatesan'i Jesosy dia fanefana tsy manam-piafarana ny onitry ny fahotantsika (2 Korintiana 5:21). Maty nanefa ny sazin'ny otantsika Jesosy (Romana 5:8). Naloan'i Jesosy ny onitra amin'izay isika tsy mila mandoa izany. Ny fitsanganan'I Jesosy tamin'ny fahotana dia manamarina fa ampy hanefana ny sazintsika ny fahafatesany. Izay no maha Mpamonjy tokana an'I Jesosy (Jaona 14:6; Asan'ny Apostoly 4:12)! Manaiky an'I Jesosy ho toy ny Mpamonjy anao ve ianao?

Mpamonjy 'manokana' anao Jesosy? Betsaka ny olona mahita ny fiainana Kristiana ho fandehanana any am-piangonana, fanaovana fombafomba tsy fialana amin'ny karazam-pahotana fotsiny. Tsy izany ny fiainana Kristiana. Ny tena fiainana Kristiana dia fifandraisana manokana amin'I Kristy Jesosy. Ny fanekena an'I Jesosy ho toy ny Mpamonjy anao manokana dia fametrahana ny finoanao manokana sy ny fahatokianao aminy. Tsy misy voavonjy amin'ny finoan'ny hafa. Tsy misy mandray famelan-keloka amin'ny fanaovana asa tsara. Ny hany fomba handraisana famonjena dia manaiky an'I Jesosy ho mpamonjy anao manokana, mahatoky ny sorona nataony ho solon'ny fahotantsika sy ny fitsanganany tamin'ny maty ho antoka ny amin'ny fiainana mandrak'izay (Jaona 3:16). Mpamonjy anao manokana ve Jesosy?

Rah ate hanaiky an'I Jesosy Kristy ho mpamonjy anao manokana ianao dia lazao aminy ireto teny manaraka ireto. Tsarovy fa ny fanaovana ity vavaka ity na vavaka hafa ihany koa dia tsy hamonjy anao. Ny fahatokiana an'i Kristy irery ihany no hany mamonjy anao amin'ny fahotanao. Ity vavaka ity dia fomba tsotra anehoanao amin'Andriamanitra ny finoanao Azy sy hisaoranao Azy ny amin'ny nanomezany anao famonjena. "Andriamanitra o, fantantro fa nanota teo anatrehanao aho ary mendrika ny ho voaheloka. Kanefa nentin'i Jesosy ny fanamelohana tokony ho ahy ary amin'ny alalan'ny finoako Azy dia afaka mandray famelan-keloka aho. Mandray ny famelankelokao aho ary mametraka ny fahatokiako eo Aminao ho famonjena ahy. Manaiky an'I Jesosy ho mpamonjy ahy manokana aho? Misaotra ny amin'ny fahasoavana sy famindram-po lehibe - ny fanomezana fiainana mandrakizay! Amena!'

Nandray fanampahan-kevitra hanaraka an'I Kristy noho ny zavatra novakianao tato ve ianao? Raha izany dia tsindrio ny 'Nandray an'I Jesosy aho androany' etsy ambany.

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona ny hevitry ny hoe manaiky an'I Jesosy ho mpamonjy manokana?
© Copyright Got Questions Ministries