settings icon
share icon
Fanontaniana

Inona avy ireo toetra mampiavaka an'Andriamanitra? Ohatran'iza Andriamanitra?

Valiny


Ny vaovao mahafaly eo am-pamaliana izany fanotaniana izany dia betsaka ny zavatra azo fantarina momba an'Andriamanitra! Mety hanampy anao amin'ny famakafakana ity fanazavana ity ny mamaky hatramin'ny farany alohan'ny hamakianao ireo Soratra Masina mifanaraka amin'izany ho fanampim-panazavana. Ny fanohanan'ny Soratra Masina dia tena ilaina tokoa satria raha tsy misy ny fahefan'ny Baiboly dia ho hevitr'olombelona fotsiny ihany izay rehetra voasoratra izay matetika tsy mitondra fahamarinana amin'ny fahazoana an'Andriamanitra (Joba 42:7). Tsy ampy ny filazana hoe zava-dehibe amintsika ny mamantatra ny mombamomban'Andriamanitra! Ny tsy fahalalantsika Azy dia hahatonga antsika hanamboatra sy hanaraka ary hanompo andriamanitra tsy izy izay mifanohitra amin'ny sitrapony (Eksodosy 20:3-5).

Izay tian'Andriamanitra haseho momba ny tenany ihany no azo fantarina. Iray amin'ny toetra mampiavaka an'Andraiamanitra ny "fahazavana", izany hoe mampiseho ny momba ny tenany Izy (Isaia 60:19, Jakoba 1:17). Ny fahamarianana milaza fa manome fahalalana momba ny tenany Andriamanitra dia tsy tokony atao tsinotsinona, fandrao tsy ho tafiditra amin'ny fitsaharany isika (Hebreo 4:1). Ny voary, ny Baiboly ary ny Teny tonga nofo (Jesosy Kristy) dia hanampy antsika hahalala ny toetoetran'Andriamanitra.

Andao hatomboka amin'ny famantarana fa Andriamanitra no Mpamorona antsika ary isika dia isan'ny voary noforonony (Genesisy 1:1 Salamo 24:1). Andriamanitra dia nilaza fa araka ny endriny no namoronany ny olona. Ambonin'ny voary rehetra ny olombelona ary nomena fahefana hanjaka (Genesisy 1:26-28). Voalaron'ny fahalavoan'ny olona ny voary kanefa na izany aza dia mbola mampiseho sombiny amin'ny asany ihany (Genesisy 3:17-18; Romana 1:19-20). Raha mijery ny halebiazana, fahasarotana, hatsarana sy ny filaminan'ny voary isika dia afaka mahatsapa ny akanton'Andriamanitra.

Ny famakiana ny anaran'Andraiamanitra dia manampy antsika hamantatra ny toetoetrany. Ireto avy izy ireo:

Elohim - Ilay matanjaka, Andriamanitra (Genesisy 1:1)
Adonai - Tompo, ilazana fifandraisana eo amin'ny Tompo sy ny mpanompo (Eksodosy 4:10,13)
El Elyon - Avo Indrindra, Ilay Mahery Indrindra (Genesisy 14:20)
El Roi - Andriamanitra izay mahita (Genesisy 16:13)
El Shaddai - Andriamanitra Tsitoha (Genesisy 17:1)
El Olam - Andriamanitra Mandrakizay (Isaia 40:28)
Yahweh - "Izaho izay izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay", ilay Andriamanitra mandrakizay (Eksodosy 3:13,14).

Hitohy hamakafaka ny teotra mampiavaka an'Andriamanitra isika; Mandrakizay Andriamanitra, izany hoe tsy misy fiatombohana ary ny fisiany dia tsy misy fiafarana. Tsy maty ary tsy manampahataperana Izy (Deotoronomy 33:27; Salamo 90:2; 1 Timoty 1:17). Andriamanitra tsy azo ovaina izy, zany hoe tsy azo soloina; midika izany fa azo ianteherana ary azo itokiana tanteraka Izy (Malakia 3:6; Nomery 23:19; Salamo 102:26,27). Tsy manantsahala Andriamanitra. Midika izany fa tsy misy toa Azy na amin'ny asa na amin'ny maha izy azy; tsy misy azo ampitahaina aminy ary fanamperana Izy (2 Samoela 7:22; Salamo 86:8; Isaia 40:25; Matio 5:48). Tsy takatry ny saina Andriamanitra izany hoe tsy azo saintsainina ary tsy vita ny mamantatra Azy tanteraka (Isaia 40:28; Salamo 145:3; Romana 11:33,34).

Andriamanitra marina Izy, izany hoe tsy mitongilana na manavakavaka (Deotoronomy 32:4; Salamo 18:30). Andriamanitra Tsitoha Izy, izany hoe tompon'ny hery rehetra; azony atao avokoa ny zavatra rehetra tiany atao, kanefa ny zavatra ataony dia mifanaraka mandrakariva amin'ireo toetoetrany hafa (Apokalypsy 19:6; Jeremia 32:17,27). Andriamanitra manerana izao rehetra izao Izy, izany hoe misy Azy ny toerana rehetra; tsy midika anefa izany fa ny zavatra rehetra dia Andriamanitra (Salamo 139:7-13; Jeremia 23:23). Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra, izany hoe fantany ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy, eny fa na dia ny zavatra eritreretintsika amin'ny fotoana rehetra aza; ny fitsarany dia marina mandrakariva satria mahalala ny zavatra rehetra Izy (Salamo 139:1-5; Ohabolana 5:21).

Andriamanitra dia tokana, tsy vitan'ny hoe tsy misy andriamanitra hafa fa Izy irery ihany no hany afaka manome ny faniriana lalina any anatin'ny fontsika, ary Izy irery ihany no mendrika handray ny fiankohofantsika sy ny fanolorantenantsika (Deotoronomy 6:4). Andriamanitra marina Izy, izany hoe tsy afaka ary tsy hanakipy ny masony manoloana ny zavatra tsy mety; noho ny fahamarinany sy ny fitsarany no nahatonga an'i Jesosy hiaina ny fitsaran'Andriamanitra tamin'ny nametrahana ny fahotantsika teo Aminy mba ahazoantsika famelan-keloka (Eksodosy 9:27; Matio 27:45-46;Romana 3:21-26).

Masimandidy Andriamanitra, izany hoe ambonin'ny rehetra; ny voary rehetra mitambatra, na mahafantatra na tsia dia tsy afaka hisakana na hanakorotana ny fikasany (Salamo 93:1;95:3; Jeremia 23:20). Andriamanitra dia Fanahy, izany hoe tsy hita maso Izy (Jaona 1:18;4:24). Andriamanitra dia telo izay iray, araka izany anarana izany dia telo izy kanefa iray, fototra iray, ary mitovy fahefana sy voninahitra. Ao amin'ny soratra Masina ny teny hoe 'anarana' dia manambara anaran'olon-tokana na dia milaza olona telo aza- "Ray, Zanaka, Fanahy Masina" (Matio 28:19; Marka 1:9-11). Andriamanitra dia marina, izany hoe tsy misy fifanoherana eo Aminy, tsy mety ho lo Izy ary tsy afaka mandainga (Salamo 117:2; 1 Samoela 15:29).

Andriamanitra dia masina, midika fa misaraka amin'ny fahalovana ara-moraly rehetra Izy ary manohitra izany. Hitan'Andriamanitra avokoa ny tsy fahamarinana rehetra ary tsy mahafaly Azy izany; matetika voatonona miaraka amin'ny teny fahamasinana ny teny hoe afo ao amin'ny Soratra Masina. Afo mandevona no hiantsoana an'Andriamanitra (Isaia 6:3; Habakoka 1:13; Eksodosy 3:2,4,5; Hebreo 12:29). Be famindram-po Andriamanitra - ao anatin'izany ny hatsarany, ny halemem-panahiny, ny fihantrany ary fitiavany - izay teny mandoko ny hevitry ny hatsarany. Raha tsy noho ny famindram-pon'Andriamanitra dia toa manilika antsika avokoa ireo toetra mampiavaka Azy. Soa ihany fa tsy izany ny zava-misy satria maniry ny hamantatra antsika tsirairay avy manokana Izy (Eksodosy 34:6; Salamo 31:19; 1 Petera 1:3; Jaona 3:16; Jaona 17:3).

Bitika ity fanazavana ity manoloana ny fanontaniana lehibe mikasika Andriamanitra lehibe. Mazotoa mitohy mitady Azy (Jeremia 29:13).

English



Miverina amin'ny pejy amin'ny teny Malagasy

Inona avy ireo toetra mampiavaka an'Andriamanitra? Ohatran'iza Andriamanitra?
© Copyright Got Questions Ministries